Miarahaba antsika rehetra : tanana avia!
Tontonsa soa aman-tsara iny ny asabotsy 3 mey lasa teo ny hetsika faharoa, izay nokarakarain'ny Faritany Sampana Mena, eto Antananarivo Afovoany, dia ny AVENTURE-ASA FIROTSAHANA-AFOM-PIFALIANA izany.
Raha somary vitsivitsy ihany ny tonga tamin'ny maraina nanatanteraka ny carnaval sy ny fanadiovana ny HJRA, dia tsy nampoizina fa dia betsaka no tonga nanotrona ny afom-pifaliana.
Mino izahay fa hitombo hatrany ny mpandray anjara amin'ny hetsika manaraka (rodorodo) izay hotanterahina ny 27-28-29/07/2008 ho avy izao.
Entanina sahady ny Fokonolona sy ny Fileovana mba hiomana sahady ny amin'izany.
Fisaorana mitafotafo no atolotra ireo 3 izay nahazo ny voalohany tamin'ny fifaninana:
- AKV 139ème
- 7ème sy 72ème
Nisy ihany koa ny fokonolona mendrika dia izy roa lahy avy ao amin'ny 105ème(chapmi).
Ary toy izany koa ny olona mendrika dia avy ao amin'ny 153ème Amboditsiry.