HO AMINAREO REHETRA ANIE NY FAHASOAVAN'ANDRIAMANITRA RAINTSIKA!
Vita soa aman-tsara iny ny hetsika voalohany izay nokarakarain'ny Faritany Sampana Mena, dia ny lasy 7-9 mars teo izany. Mino izahay fa tomombana tsara ny lasy noho ny fahabetsahan'ireo nangataka ny hamerenana izany.
Mbola betsaka anefa ny miandry, anisan'izany ny hetsika izay hatao ny 3 mai 2008 ho avy izao, dia ny Asa Firotsahana, sy ny Aventures, ary ny Afom-pifaliana izany.



Koa mba hahalavorary ny asantsika dia entanina isika zokiolona rehetra mba hameno ny Fisoratana anarana ao amin'ny une annexe eo ambany akaikin'ny commentaires, ka hamerina izany araka ny fotoana izay efa nifanarahana (9 avril 2008), na eny Antsahamanitra izany na eny amin'ny Rasalama.
Hisy lalao fifaninana mandritra ireo fotoana ireo koa entanina sahady isika rehetra mba hiomana amin'izany.
Ireto ny zavatra efa azon'ise karakaraina:
- Hiakam-pileovana sy hiram-pileovana ary ny fanamiana ...
- Hira vakisôva
- Lalana 10 ny TEM amoronana feony!
Dia mirary fikarakarana sambatra ho anareo rehetra!
Ny Ekipa Mena!

