Miarahaba an'ise!
Toy izao indray ary ny zava-misy azo atolotra an'ise androany. Efa voareseka teto ihany izy ity, saingy fanamafisana kely no hatolotro eto. Efa nivoaka mantsy ny fandaharana avy tamin'ny FOIBEntsika Mpiandalana, koa entinay eto sahady ny mombamomba izany na dia tsy mbola misy daty mazava tsara izany. Hovoiizintsika Mpiandalana manditra ity taona ity ny hoe "MPIANDALANA MANATSARA NY TANANANY". Hazavaiko: Tanàna inona? an'iza?... Maro ny zavatra mety handikana io Tanàna io, raha ho raiko fotsiny ny ohatra hoe: ny tenan'ise! Eny hoe!!! Izany hoe ho ezahin'ise ny hanatsaran'ise ny fianan'ise, na izay mety ho hitan'ise fa mila ho hatsaraina.... Tsy voatery ise irery ihany koa anefa ny tiana hambara eto, fa mety ho hetsiky ny fokonolona, na ny Fileovan'ise ihany koa no hanatanteraka izany. Ny marina dia samy tokony hanao izany ny rehetra voalaza teo. Afaka manatona ny Filoha, na ny Zokiolona ise raha mila fanazavana fanampiny. Ny Fandaharana nomen'ny FOIBEntsika dia ireto manaraka ireto:
- VAZON'NY MPIANDALANA:Lalao fifaninana izy io, ka ny Faritany Mena sy ny Faritra no hikarakara azy io. Ny Fokonolona na ny Fileovana kosa no hifaninana. (Mety Hifaninana ihany koa ny Filoha sy ny Zokiolona, raha tian'ise!). Miankina amin'ny fandaminana anefa izany. Mbola tsy fantatra ny votoatiny sy ny daty hanatanterahana azy. Saingy mety ho fifaninana hira na dihy, na koa izy roa miaraka no hatao.
Ilany ny sosokevitr'ise! satria ny mety mahaliana an'ise no hatao. Ohatra: fifaninana HH, na inona ary e! Misaotra an'ise amin'ny toro-hevitra!
- DON-TANDROKA: Raha ny fahafantaran'ise azy dia mety ho fifaninana Kabary no tiana holazaina eto! tsy diso ise! saingy tsy ilay mahazatra anefa no hatao fa anarana nomena an'ity hetsika ity ny hoe DON-TANDROKA.

Ny atao ao anatiny no mapiavaka azy. Izany hoe: Hikarakara lalao fianinanana Fanatanjaha-tena ise sy ny Fokonolon'ise, na ny Fileovan'ise, ka azon'ise atao tsara ny mampifaninana ny Sampana misy ao amin'ny Fiangonan'ise na ny eo amin'ny Fokotanin'ise! Anjaranareo kosa no maminavina ny daty hanatanterahana azy sy ny fitsipika rehetra. Tokony ho hita any anatin'ny Fadaharana Haritaona sy Telo volana anefa izany.
- FIKAJIANA NY TONTOLO IAINANA: Ny Rano sy ny Angovo no tiana hatongavana eto. Mbola eo am-pikarakarana izany ny Faritanintsika, ka tsy afaka milaza zavatra firy momba izany aho aloha androany.
Manana Fandaharana ankotra ireo ihany koa anefa ny Faritany, saingy Mbola tsy voafaritra mazava ny daty hanatanterahana azy. Ny azo atolotra anefa dia ireto manaraka ireto: mba ahafahan'ise miomana sahady.
- Rodorodo
- Lasy
- Asa Firotsahana
- Afom-pifaliana
- Sport
- Aventures
Mety ho kivy ise fa hoe maro loatra ny fandaharana avy aty amin'ny Foibe sy ny Faritany ary ny Faritra, eny ry ise! Maro jerena izy ireo fa ho ezahina ny hanambatra azy ireo mba ahafahan'ny Fileovana miaina tsara.
Misy andinin-Tsoratra Masina ireto azon'ise hatao manditra ny culte rehefa manokatra. Misy fitohizany hatrany izy ireo ary tena mifandray ahafahan'ise manatratra sahady ny Tanjona izay Kendrentsika miaraka amin'ny Foibe teo: dia ireto avy izany: Jer:33:3 Mat:21:21-22 II Tim1:7 Mpits:6 I Kor 3:16-17 Heb 3:15 I Kor 15:35 II Kor 9:6 Mpito:11:9-14 II Tim 2:22 Heb 10:31 Jak:1:5 I Kor 15:58 Jer 29:11 I Pet 5:5-9 Mpito 9:17 II Kor 12:9 Nom:6:24-26 Eny ary ry ise, fa ny fotoana manam-petra, ary ny andraikitra samy manana ny azy koa dia mangata-dalana amin'ise ny tenako. Fa dia amin'ny manaraka indray. Mamakia finaritra.
