Miarahaba antsika rehetra : tanana avia!

Tontonsa soa aman-tsara iny ny asabotsy 3 mey lasa teo ny hetsika faharoa, izay nokarakarain'ny Faritany Sampana Mena, eto Antananarivo Afovoany, dia ny AVENTURE-ASA FIROTSAHANA-AFOM-PIFALIANA izany.

Raha somary vitsivitsy ihany ny tonga tamin'ny maraina nanatanteraka ny carnaval sy ny fanadiovana ny HJRA, dia tsy nampoizina fa dia betsaka no tonga nanotrona ny afom-pifaliana.

Mino izahay fa hitombo hatrany ny mpandray anjara amin'ny hetsika manaraka (rodorodo) izay hotanterahina ny 27-28-29/07/2008 ho avy izao.

Entanina sahady ny Fokonolona sy ny Fileovana mba hiomana sahady ny amin'izany.

Fisaorana mitafotafo no atolotra ireo 3 izay nahazo ny voalohany tamin'ny fifaninana:

  1. AKV 139ème
  2. 7ème sy 72ème

Nisy ihany koa ny fokonolona mendrika dia izy roa lahy avy ao amin'ny 105ème(chapmi).

Ary toy izany koa ny olona mendrika dia avy ao amin'ny 153ème Amboditsiry.